<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>744</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He ! ny andro mora lasa,
 O, ry mpivahiny ô !
 Tsy ho ela, kely sisa,
 Dia hody hianao !
 Tsy mba fantatrao akory
 Izay hahafatesanao ;
 Koa aza mba matory,
 Sao ho very hianao.

[V2]
 Miomàna ry sakaiza,
 Aza mba tamàna atý,
 Fa ny eto tsy mateza,
 Miaingà mba ho arý !
 Ao ny Tomponao Jesosy,
 Hampihaingo tsara anao,
 Fa ny rany no mamofsy
 Ny akanjo ho anao.</lyrics>
<title>He! Ny andro mora lasa FFPM744</title>
</song>